Galatians 1

1Paoly, apostoly _ tsy apostoly avy amin’ny olona na tamin’ny alalan’ny olona, fa avy amin’i Jesosy Kristy sy ilay Andriamanitra Ray, izay nanangana Azy tamin’ny maty _ 2ary ireo rahalahy rehetra miaraka amiko, ho an’ireo fiangonan’ny Galatiana:

3Fahasoavana ho aminareo ary fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo, 4izay nanolotra ny tenany ho an’ny fahotantsika mba hanafahany antsika amin’izao andron’ny faharatsiana izao, araka ny sitrapon’Andriamanitsika sy Raintsika, 5ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay doria. Amena.

6Gaga aho hoe niala faingana tamin’ilay niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy ianareo. Gaga aho fa mitodika ho amin’ny filanzantsara hafa ianareo. 7Tsy midika akory izany fa misy filanzantsara hafa, fa misy olona maromaro izay mitondra fikorontanana ho anareo ary te hanova ny filazantsaran’i kristy.

8Fa na izahay na anjely avy any an-danitra aza no hitory filazantsara hafa aminareo noho izay nitorianay taminareo, dia aoka izy ho voaozona. 9Araka izay nolazainay taloha, dia ankehitriny aho manambara indray hoe: “Raha misy olona manambara aminareo filazantsara hafa noho izay noraisinareo, dia aoka izy ho voaozona.” 10Moa ve izaho ankehitriny mitady ny fakantoavan’ny olona sa Andriamanitra? Moa ve izaho mitady izay hampifaly ny olona? Raha mbola manohy miezaka ny hampifaly olona aho, dia tsy mpanompon’i Kristy.

11Fa tiako ho fantatrareo, ry rahalahiko, fa ny filazantsara izay nambarako dia tsy filazantsaran’olombelona. 12Tsy nandray izany tamin’olona aho, na nampianarina ahy izany. Fa kosa, izany dia fanambaran’i Kristy Jesosy tamiko.

13Fa ianareo nahare ny amin’ny fiainako taloha tamin’ny fomba fivavahana Jiosy, sy ny fomba nanenjehako ny fiangonan’Andriamanitra mihoatra ny tokony ho izy ary ny fiezahako handrava izany. 14Nandroso tamin’ny fivavahan’ny Jiosy aho nihoatra ny maro tamin’ireo nitovy taona tamiko, avy tamin’ireo iray firenena tamiko. Toy izany ny fomba nihazonako mafy ireo fomban-drazako.

15Kanefa Andriamanitra, izay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, ary niantso ahy tamin’ny alalan’ny fahasoavany, 16rehefa faly ny hampiseho ny Zanany lahy tamiko, mba hahafahako manambara Azy any amin’ny Jentilisa, dia tsy naka saina tamin’ny nofo sy ra avy hatrany aho. 17Tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin’ireo efa lasa Apostoly talohako aho. Fa kosa, nandeha tany Arabia ary avy eo niverina tany Damaskosy aho.

18Ary telo taona taoriana dia niakatra tany Jerosalema mba hifankafantatra tamin’i Kefasy aho ary nijanona niaraka taminy nandritra ny dimy ambin’ny folo andro. 19Fa tsy nisy hitako ireo Apostoly ankoatra an’i Jakoba, ilay rahalahin’ny Tompo. 20Ary ao amin’izay soratako ho anareo, dia manome toky anareo aho eo anatrehan’Andriamanitra, fa tsy mandainga aho.

21Avy eo aho dia nandeha tany amin’ny faritr’i Syria sy Kilikia. 22Tsy mbola fantatra teo amin’ireo fiangonan’i Jodia izay ao amin’i Kristy aho. 23Henon’izy ireo fotsiny izay voalaza hoe: “Ilay lehilahy izay nanenjika antsika fahiny ankehitriny dia manambara ilay finoana izay niezahany nopotehina taloha.” Noho izany izy ireo dia nidera an’Andriamanitra noho ny amiko.

24

Copyright information for PltULB